La Réunion : Hifarana rahampitso ny fetin’ny sarimihetsika
Nanomboka ny 2 ary hifarana ny 5 jolay izao ny fetin’ny sarimihetsika ao amin’ny nosy La Réunion. Ho an’ny Réseau ICC dia nankalazainy any amin’ny toeram-pijerena sarimihetsiny izany ary mbola hitohy androany sy rahampitso. Nanao fihenanmbidy ihany koa iy ireo manoloana izany.
Ho an’ny toeram-pijerena horonantsary sarmihetsika an’io orinasa io dia manao fihenambidy ny amin’ny fidirana ao amin’ny Cinépalmes Sainte-Marie, ny Cinépalmes Saint-Denis ary ny Rex Saint-Pierre izy ireo. Maro ny sarimihetsika azo jerena mandritra izany ary raha ny tatitra dia isany ireo mbola azo jerena ireo horonantsary malaza samihafa toy ny L’exorciste du vatican, Donjons et dragons…
