ActualitésTsidika

Tsy miara-miasa amina mpiara-miombon’antoka ny masoivoho Allemagne

Nampitandrina ny masoivoho Allemagne fa tsy miara-miasa ary tsy mampanera mpiara-miombon’antokaamin’ny fanaovana ny Visa. Efa maro tokoa ankehitriny ireo tanora liana amin’ny fivoahana any allemagne mantsy, amin’ny fianarana fa indrindra amin’ny “bénévolat” sy “au pairs”. Nambaran’izy ireo fa tsy manana fahafahana amin’ny famandriam-potoana ao amin’ireo mitonona ho mpiara-miombon’antoka izy ireo.

“Ny droit de Visa angatahan’ny masoivoho ihany no andoavam-bola” araka ny fanazavan’izy ireo ary maimaim-poana ny fakàna famandriam-potoana amin’ny fanatanterahana ny taratasy sy ny pasipaoro. Etsy an-kilany, mitaraina ireo olona mila izany ary hoy ny namabaran’izy ireo, “mifoho amin’ny iray maraina izahay milahatra rendez-vous efa ho roa volana izay nefa dimy isaky ny herinandro amin’ny olona 100 no mahazo”. Mangataka ny hijerena manokana izany izy ireo ary indrindra ny eo amin’ny lafiny kolikoly.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire