Lehilahy voahitsaky ny kamio, Ambohimena Antsirabe
Tao Ambohimena Antsirabe no nisehoan’ity trangana lozam-pifamoivoizana ity. Lehilahy iray no voahitsaky ny kamio ny alakamisy tamin’ny 6 ora sy sasany hariva teo. Araka ny fanazavan’ny manodidina moa dia mamo ity lehilahy ity, “efa nikavivy izy dia nahazo iny arabe iny, tonga dia nofoan’ny fiara” hoy ireo nanatri-maso.
Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana nijery ny raharaha sy ilay naratra nandritra ny loza. Efa any amin’ny hopitaly kosa ity farany. Voaporofo amin’izao tranga izao ny loza aterakin’ny zava-mahadomelina.
Hasina Rasamimanana
