Avaradrano : Mihatsara ny voka-panadinana
Nahitana fihahatsarana ny voka-panadinam-panjakana CEPE, raha ho an’ny teto amin’ny cisco Avaradrano. Niakatra iray isan-jato izany, raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, raha ny voalaza.
« Mihatsara hatrany ny voka-panadinana CEPE eto amin’ny CISCO Avaradrano noho ny ezaky ny tomponandraikitra isan’ambaratongany. Tafakatra 84,24% ny taham-pahafahana tamin’ity taom-pianarana ity raha 83,45% izany tamin’ny taona lasa. Mendrika hankasitrahana noho izany ny Sefo CISCO, ireo Sefo ZAP, ireo talen-tsekoly, ny mpampianatra sy ny mpanabe rehetra » hoy ny avy amin’ny FIBA Avaradrano.
« Tsy adino fa anisan’ny nitondra hery lehibe ho an’ireo mpianatra ireo ny tohana avy amin’ireo olom-boafidy sy ny solontenam-panjakana eto amin’ny Distrikan’Avaradrano. Zava-dehibe ny mifanolo-tanana sy ny mifandrombona ao anatin’izany satria ny fianarana no lova tsara indrindra » hoy hatrany ny fanazavana.
Anisan’ny olana nampihidina ny taham-pahafahana fanadinana teo amin’ny mpianatra moa ny vokatry ny valan’aretina, ny fahatapahan’ny fianarana naharitra. Manomboka miverina miandalana kosa ny fanarenana izany amin’izao fotoana.
Manitra R.
