ActualitésTsidika

Etats-Unis: Inona avy ny vokatra avoakan’ny orinasa Johnson & Johnson ?

Orinasa mpamokatra fanafody américain niorina tamin’ny taona 1886 ny Johnson & Johnson. I Robert Wood Johnson sy George J. Seabury no namolavola azy tany amin’ny taona 1864. Ankoatra ny famokarana fanafody toy ny fanafody ho an’ny fitsaboana aretim-po, saina, hoditra, kibo ary ho an’ny hery fiarovana ary vaksiny izay nahafantarana azy nefa dia mamokatra zavatra hafa maro ny orinasa. Anisan’izany ny fitaovam-pitsaboana ho an’ireo toeram-pitsaboana lehibe. Ao ny fitaovam-pandidina, ny fitaovam-pizahana, ireo ho an’ny taolana sy ho an’ny vehivavy manokana. Eo ihany koa ny vokatra ara-pidiovana, tafiditra ao anatin’izany ireo ho an’ny vehivavy sy ny zazakely. Ankoatra ireo dia misy vokatra hiadiana amin’ny tsy fanjarain-tsakafo ihany koa ao aminy ary manome tolotra mivantana ho an’ireo mpanjifa sy ny mpitsabo ihany koa izy ireo.

Laisser un commentaire