ActualitésTatitra

Danemark : Natao lavanty ny sary voalohany nalaina teny amin’ny volana

Natao lavanty tao Copenhague ao Danemark ny herinandro lasa teo ny sarin’ny Nasa naneho ny fandehanana teny amin’ny volana voalohany. 76 no fitambaran’ireo sary orijinaly ary maneho ny « mission Apollo » nataon’ity masoivoho « spatiale » ity izany. Tafiditra ao amin’ireo sary ireo sary voalohany indrindra tamin’ny volana jolay 1969.Olona « collectionneur » tsy nitonon’anarana no namarotra ireo sary ireo. Notombatombanan’i Bruun Rasmussen ho 1,4 tapitrisa couronnes (842 tapitrisa Ar) kosa ny vidin’izany sary izany. Io sary voalohany tamin’ny « mission Apollo 11 » ny 20 jolay 1969 io kosa no notombanana ambony indrindra hoy i Kasper Nielsen, tompon’andraikitry ny toerana nanaovana lavanty.

Laisser un commentaire