ActualitésTsidika

Nanatanteraka iraka tany Atsimo ny Minisitry ny mponina

Tsikaritra tato ho ato ny fifantohan’ny fanjakana akaiky amin’ny olan’ny any Atsimo izay iajadian’ny Kere. « Malaza manerana ny haino vaky jery mihitsy izao ny resaka ady amin’ny kere any Atsimo, tsy aiko hoe tsy hita hoe miasa ve raha tsy hankalazaina tahaka izany izy ity » hoy ny olon-tsotra iray rah naneho ny heviny mikasika ny any Atsimo.

Manatanteraka iraka any Atsimo tokoa mantsy amin’izao fotoana izao ny Minisitry ny mponina indrindra ao amin’ny Fokontany Amboangy, Kaominina Mahaly any amin’ny Distrika Amboasary Atsimo, faritra Anosy. « Tanjona ny hametrahana filaminana ho an’ireo mponina iajadian’ny tsy fanjarian-tsakafo » hoy ny ekipan’ny Ministera. Nantitranteran’ny Ministra nandritra izany ny tokony hampidirana sekoly ny ankizy, ny tsy tokony hanambadiana aloha loatra ary ny mba tokony hampiasain’ny mponina ny fandrindram-piterahana. « Manome toky anareo ihany koa aho fa hametrahana tranoben’ny ampela eto amin’ny Kaominina Mahafaly » hoy ny Ministra Michelle Bavy Angelica.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire