La Réunion : Mpandeha an-tongotra maty teny an-dalana
Mpandeha tongotra iray maty ny alatsinainy 19 jolay lasa teo teny an-dalana tany Saint-Leu izay tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany teo. Maty voadonan’ny fiara ity rangahy 60 taona ity ary tsy tana intsony ny ainy mandrapahatongan’ny mpamonjy voina. Raha nandeha tongotra maraina ity rangahy ity no voadonan’ny fiara indroa tany Saint-Leu teo ampitan’ny lapan’ny tanàna. Tsy tana intsony ny ainy raha efa arahi-maso sy hanaovana ny fanadihadihana kosa ilay mpamily. Vokatrin’ny fijanonan’ny fo tampoka no tena nahafaty ity rangahy mpandeha tongotra ity.
