ActualitésTsidika

Alasora : Nanao fitokanana ireo mponina noho ny tsy fisian’ny rano

Tohin’ny olan’ny tsy fisian’ny rano tao amin’ny kaominina Alasora omaly, dia nidina an-dalambe ireo mponina nanao fitokonana ny hariva. Nisy ny fanakanan-dalana nataon’izy ireo ary nisy ny voasambotra, araka ny voalaza.

« Leo ny tsy fisian’ny rano ny mponina. Efa ela no nanaovana ny fitakiana sy ny fangatahana ny rariny avy amin’ny jirama saingy tsy mbola nisy vahaolana. Izao no hitan’ny vahoaka ho fara hevitra dia ny midina an-dalambe » hoy i Tojo, mponina ao Alasora.

« Mbola hendry raha ny mponina Alasora. amam-bolana no efa tsy nisy rano tety aminay, saingy nangina izahay, niandry ny fandraisana fepetra avy amin’ny tomponandraikitra. Tsy nisy valiny mihitsy anefa izany, mijaly ny vahoaka » hoy i Fanja, renim-pianakaviana.

Olona roa moa no voalaza fa nosamborin’ny mpitandro filaminana, nandritra ity fihetsiketsehan’ny mponina ity. Io maraina io moa dia nisy ny fihaonana teo amin’ny tomponandraikitry ny jirama sy ny kaominina ary ny sampana misahana ny rano fidiovana sy fanadiovana ao Alasora, ka namaha ny olana ara-teknika momba izany.

Laisser un commentaire