Etats-Unis : Alika iray hita tany amin’ny 3770km miala ny tranony, sivy volana taorian’ny nahavery azy
Alika vavy iray very tao Californie, nandritra ny sivy voalana teo no hita tampoka tao Michigan, izay toerana any amin’ny maherin’ny 3770 km miala an’i Californie. Hafaliana ny an’ireo tompony raha nahita indray ity alika ity. Mishka no anarany, ary karazana alika terrier ireny. Nanjavona, tsy nahitana soritra ny nahavery azy tao amin’ny tranon’ny tompony, ny volana jolay 2023, tao San Diego, akaikin’ny sisin-tanin’i Mexique. Ny herinandro teo, hita tany Harpers Woods izy, izany toerana ambanivohitra any Detroit, akaikin’ny sisin-tanin’i Canada ; izany hoe namakivaky an’i Etats-Unis, teo amin’ny lalana 4000km teo ity alika ity. Toerana mandray ireo biby mpirenireny tany an-toerana no nahita azy ary afaka namantatra azy tamin’ny alalan’ny « puce électronique » ka niantso avy hatrany ny tompony mba haka azy.
