Ankadikely Ilafy : Nametrahana foto-drafitr’asa fisitrahana rano fisotro madio ny fokontany Ambohitraina
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny fanolorana ny foto-drafitr’asa, izay ahazoana rano fisotro madio, ho an’ny mponina ao amin’ny fokontany Ambohitraina, kaominina Ankadikely Ilafy. Izay moa dia fiaraha-miasan’ny kaominina tamin’ny orinasa iray mpaiara-miombon’antoka, niaraka tamin’ny ministeran’ny misahana ny rano.
«Tontosa soa aman-tsara ny fanolorana ny foto-drafitr’asa mamatsy rano fisotro madio manarapenitra ho an’ny mponina eto amin’ny Fokontany Ambohitraina, Kaominina Ankadikely-Ilafy. Ny orinasa Roni Chem SARL no nanatontosa ny asa fanorenana ary tetikasan’ny fitondram-pajakana foibe izay tanterahin’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Zava-dehibe ho an’ny mponina tokoa ny fahazoana izao foto-drafitr’asa manaraka ny fenitra izao. Tsy ho sahirana intsony ny vahoaka amin’ny fitadiavana rano,indrindra fa ny fisitrahana rano fisotro madio. Hisaorana lehibe ny tomponandraikitra satria mampandroso ny faritra izany » hoy ny avy amin’ireo lehiben’ny fokontany.
Manao ezaka hatrany ny kaominina Ankadikely Ilafy amin’ny fampisitrahana foto-drafitr’asa, araka ny filàn’ny mponina eny ifotony. Ao anatin’izany no hanaovan’ireo tomponandraikitra adisisika amin’ny fitondram-panjaka, ahafahana mampisitraka izany foto-drafitr’asa izany ho an’ny vahoaka, raha ny voalaza hatrany.
