Sosialy : Sady manohana ny tontolo iainana no manohana ny mponina ao Diana ny tetik’asa Batan
Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ireo fifanarahana iraisam-pirenena ho fiarovana ireo faritra arovana an-dranomasina toy ny ala honko. Tsy vitan’ny manohana ny lafiny tontolo iainana irery ihany fa manampy ireo Vondron’olona igotony ihany koa ny tetik’asa. Tokantrano miisa 2 500 no hisitraka ny fanampiana amin’ny alalan’ny tetik’asa.
« Ankoatra ny fisitrahan”ireo VOI ny fanampiana dia ala honko mirefy 21 000ha ihany koa no ho voajary. izany rehetra izany dia ireo mponina any an-toerana ihany no hikarakara azy. Ny tanjonan’y tetik’asa di any mba hampiroboroboana ny asa sy ny fari-piainan’ny mponina ao amin’ny faritra Diana », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana.
« Sady mahazo fanampiana no mandray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Ilainay mihitsy ity tetik’asa ity satria tena hanampy betsaka anay ihany koa amin’ny fihariana isn-karazany », hoy ny solontenan’ireo VOI mpisitraka ny tetik’asa.
Vatsian’ny Fond Français pour l’Environnement Mondiale (FFEM) vola ity tetik’asa ity. Avy eo dia ny AFD sy ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy no miaraka manatanteraka azy. Natao hiarovana ny fitrandrahana tsy ara-drariny ny harena an-dranomasina ity tetiksa ity. Ary koa ho fitantanana maharitra ny tontolo iainana ao amin’ny helodranon’Ambaro, Tsimipaiky sy Ampasindravana ary ireo vondrona nosy (archipel) ao Nosy Be ny tetik’asa Batan.
Miora Raharisolo
