Sabotsy Namehana : Tratra ireo mpivarotra rongony tao Atsimontsena
Mitohy hatrany ny ady amin’ny zava-mahadomelina sy ny fanenjehana ireo minia mivarotra sy manaparitaka izay ataon’ny zandary avy ao amin’ny brigade Sabotsy Namehana. Ny faran’ny herinandro teo, mpivarotra rongony avy ao Atsimontsena indray no tratra’ny zandary avy ao an-toerana, niaraka tamin’ireo namany mpiray tsikombakomba aminy.
“Hangom-baovao no nahafantaran’ny zandary ny fisian’ny mpivarotra rongony ao Atsimontsena, kaominina Sabotsy Namehana. Taorian’izay, dia nahazo taratasy avy eny amin’ny fitsarana ka nanatanteraka avy hatrany ny fisavana ny trano sy ny manodidina ny zandarimaria” hoy ireo avy amin’ny brigady Sabotsy Namehana.
“Nandritra ny fotoana nahatongavan’ny zandary teny an-toerana hatrany, dia niafina tao anaty trano fangerena ilay rangahy mpivarotra rongony sy ny vady aman-janany. Nalatsany sy nafeniny tao an-davapiringa ihany koa ireo fonosana rongony miisa 210, milanja 550 grama. Misy ihany koa ireo olona hafa mpiray tsikombakomba amin’izao fandikan-dalàna izao atao famotorana” hoy hatrany ny fanazavana.
Nisesisesy ny fahatratrarana ireo mpivarotra sy mpanaparika zava-mahadomelina tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana tato ho atao. Tsy mikely soroka ary tsy mitsitsy ireo zandary manoloana izany. Marihina fa ny tomponantoka tamin’ity tranga ity dia efa nigadra enim-bolana noho ny resaka rongony hatrany, ary teny Sabotsy Namehana ihany no nahatratrarana azy tamin’izany.
Manitra R.
