SocialTsidika

Nahazo rano fisotro madio mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny CSB2 Anahindrano sy Ambodimandresy

Tsy ny eto andrenivohitra ihany no mijaly rano amin’izao fotoana fa na ireo faritra efa mivoaka ny renivohitra aza efa miaina izany tsy fisian-drano izany ihany koa. Tao anatin’ilay tetikasa Access notohanan’ny Ministeran’ny rano sy ny fahasalamam-bahoaka izay novatsian’ny USAID vola no nahavitan’ny orinasa famatsian-drano fisotro madio mandeha amin’ny herin’ny masoandro miaraka amin’ny efitrano fidiovana sy fivoahana ho an’ny CSB2 Anahidrano sy Ambodimandresy.

Vovon-drano mamokatra rano 4 000 litatra isan’ora avy ary anisan’ireo kalitao tena tsara no nampetraka any amin’ireo faritra ireto. Nanambara ny tompon’andraikitra tamin’ity tetikasa Access Sofia ity fa tobim-pahasalamana miisa 21 ao anatin’ny kaominina 17 anatin’ny distrika 4 no ho asiana vovondrano toy ity mandeha amin’ny herin’ny masoandro ity. 5 amin’ireo vinavinaina ireo no efa vita ankehitriny ary manantena ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka ireo tomponandraikitra amin’ny fikajiana sy fikolokoloana izao fotodrafitr’asa izao.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire