SocialTsidika

Fanabeazana : Mahazo vahana ny fampianarana ampitain-davitra

Mbola mikatona ny faritra Analamanga raha ny kabary nolazain’ny filoham-pirenena ny alahady 3 mey teo. Nolazainy ihany koa fa afaka miverina an-tsekoly ireo mpianatra hanala fanadinana. Zava-dehibe ny fianarana fa mbola zava-dehibe ihany koa ny fahasalamana. Misy ireo mpianatra mianatra eto Analamanga kanefa mipetraka any amin’ny faritra ka tavela any kanefa ny fianarana miverina. Noho izany, tsy maintsy ampiharina ny fampianarana ampitain-davitra mba hanomezana ny lesona sy ny enti-mody tokony ho ataony. Tsy hary hanana fahafahana amin’ny Internet anefa izy ireo kanefa ny fampianarana mila hafainganina noho ny fahaelana nateraky ny aretina Covid-19. Izy ireo rahateo tsy tahaka ny mpianatra eny anivon’ny anjerimanontolo fa mbola mila arahi-maso akaiky. Ny fanabeazana anefa efa hita ho mihen-danja ny kalitaony araka ny tombana iraisam-pirenena mikasika ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra indrindra ihany koa ny fahaizana matematika sy fizika. Eo ihany koa ny fisian’ny ankizy mitsoaka an-daharana. Tsy nasiana resaka kosa ny fampianarana ambony kanefa tsy vitsy no miditra amin’ny fampiofanana ampitain-davitra. Very taona iray tokoa ny eny anivon’ny anjerimanontolo noho ireny fihibohana sy hamehana ara-pahasalamana indroa misesy ireny. Mila vahaolana anefa ireo mpianatra, indrindra mba hampiakarana ny kalitaon’ny fanabeazana izany na dia eo aza ny aretina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire