Grande-Bretagne : Nivory nivantana ireo minisitry ny raharahambahiny ao amin’ny G7
Nihaona tamin’i Dominic Raab, ministry ny raharahambahiny ao Grande-Bretagne ny sekreteram-panajakana avy any Etats-Unis, Antony Blinken androany alatsinainy 03 mey 2021 tany Londres. Ity no fihaonana voalohany nifanatrehan’ireo minisitry ny raharaham-bahinin’ny G7 hatramin’ny nisian’ny areti-mandringana. Nivorian’izy ireo ny mikasika ny fanarenana ny toe-karena sy ny fiarovana amin’izay loza mety hiseho. Vonona hilaza ny toerana misy azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena hatramin’ny nialany tao amin’ny Union Européenne i Royaume-Uni. Ity farany izay handray ny fihaonana an-tampony eo amin’ny G7 amin’ny ny jona izao, any Cornouailles izay any atsimo avaratr’i Angleterre. Ary io ihany koa no ho fitsidihana voalohany an’i Europe ho ataon’i Joe Biden nanomboka ny nahalany azy ho filohan’i Etats-Unis.
