3 mey : Andro iraisam-pirenena ho an’ny masoandro
Ny masoandro no mamaritra ny andro sy ny alin’ny Olombelona. Efa nisy hatramin’ny 4,5 arivo tapitrisa taona ny masoandro. Ny hafanana avoakany, izay mahatratra hatramin’ny 5 500 « degrés », no mamelona ny tontolo manodidina azy. Isan’izany isika olombelona noho izy isan’ireo kintana akaiky indrindra amin’ny Tany. Ny 3 mey no andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny Masoandro. Milanja 1989.1030 Kg izy ary mikodina miaraka amin’ny hafainganam-pandeha izay mahatratra hatramin’ny 225km/s. Izy no lehibe indrindra amin’ny zava-misy rehetra amin’ny « système solaire » ary miendrika blongan’afo lehibe. Isan’ireo loharanon’angovo azo trandrahina ny masoandro, kanefa mbola tsy hita tsara ankehintriny saingy mety ho tena voatrandraka rehefa mitohy ny fikarohana. Mety hiteraka voka-dratsy amin’ny olombelona anefa izy, izay mety handoro ny vatantsika raha miantraika mivantana amin’ny hoditra. Isan’ny manampy ny tarany handoro ny tany ny doro tanety sy ny loto eto ambonin’ny tany izay ataon’ny olombelona satria ny entona miakatra dia isan’ireo singa mampanify ny sosona « ozone ». Ny sosona « ozone » izay miaro manivana ny tara-masoandro tsy hiampaka mivantana amin’ny tany sy ny zavatra ao aminy. Koa miarova amin’ny masoandro, aza manimba ny sosona « ozone » mba tsy hahasimba ny tany.
Nicole Rafalimananjara
