ActualitésTsidika

Nosokafana androany ny CTC-19 ISTS Masera Mandrimena Andoharanofotsy

Tsy mitsahatra mitady vahaolana isoroana ny fahafenoan’ireo CTC-19 mandray an-tanana ireo marary ny fanjakana. Nosokafana tao amin’ny ISTS Masera Andoharanofotsy androany 03 mai 2021 noho izany ny CTC-19 ho an’ny distrika Atsimondrano. Natao izy ity mba handraisana an-tanana sy hitsaboana maimaim-poana ireo mararin’ny covid-19. Efa ahitana fivoarana eny amin’iny faritra iny mba tsy hanahirana ireo marary amin’ny famonjena tobim-pitsaboana. Ny filoham-pirenena Andry Rajoelina no tonga teny an-toerana nanokatra izany sady nisaotra ny fiangonana katolika sy ireo masera tompon’ny toerana mikarakara ny marary ny amin’ny fiaraha-miasa. Maimaim-poana ny fitaboana ka ny fanjakana no miantoka ireo fitaovana maro samihafa ilaina amin’izany toy ny fandriana, oxygene, fanafody. Miisa 120 ireo mpiasan’ny fahasalamana miandraikitra ity CTC-19 vaovao ity ary handray tambin-karama manokana avy amin’ny fanjakana toy ireo mpiasa rehetra izy ireo. Ankoatra ireo CTC-19 Village Voara, Mahamasina, Alarobia, Ivato, Soamandrakizay, Ankorondrano izay efa nisokatra, dia ity ny CTC-19 vaovao fanampiny. Mitombo ny toerana handraisana ireo marary ny covid-19 izany ka mino fa hihavitsy ireo ho lavon’ity valan’aretina ity ary ho tomombana ny fikarakarana sy fandraisana an-tanana azy ireny.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire