Fitokanana CSB tao Alaotra Mangoro
Mitohy hatrany ny fanatanterahina ny velirano faha dimin’ny
Filoham-pirenena. Tsy nisy tokoa ny fanaovana zanak’ikala hafa ireo Faritra
maro samy hafa eto Madagasikara fa samy nahazo ireo anjara tandrify azy avy.
Nisy arak’izany ny fitokanana Centre de Sante de Base ne CSB tao
Ambohimandroso ao amin’ny SDSP Amparafaravola faritra Alaotra Mangoro. « Ny
Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia manao ny ezaka rehetra ahafahana
manolotra tolotra ara-pahasalamana ara kalitao sy manakaiky hatrany ny
vahoaka »raha araky ny voalazan’ny tompon’andraikitra misolo-tena ny
Ministera mpiahy.Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny
Ministeran’ny fahasalamana sy ny Fondation Axian, izay tafiditra ao
anatin’ny programa « Salama BNI » iarahana ihany koa amin’ny BNI
Madagasikara. Nisy koa arak’izany ny fanolorana fitaovana ara-pahasalamana
an’ity CSB vaovao ity.
« Isaorana ireo tompon’andraikim-panjakana sy ireo mpamatsy vola miara miasa
aminy tsy nanadino ny vahoaka aty Alaotra Mangoro ka nanangana
foto-drafitr’asa lehibe tahak’izao » raha ny filazana’ny tompon’andraikitra
any an-toerana. « Natao izao mba hanomezana sy hanatsarana ny fahazoan’ireo
olona any amin’ny toeran-davitra ny fitsaboana sahaza azy ireo sy mba
hanakaikezan’ny mpiasan’ny fahasalamana azy ireo ihany koa » raha ny
nambaran’ny tao amin’ny Ministera.
Mizotra miandalana ny fanatanterahan’ny Filoha ny fanaovana ny velirano
telo amin’ny folo.Misy ireo fampanantenana no efa vita ary misy kosa anefa
ireo tsy ahitana tohiny ny mikasika azy tahakan’ny hoe « asa mendrika ho
an’ny rehetra »izay velirano faha enina.
Fanja Rakotoarisoa
