Ambohimangakely : Notolorana solom-bodiakoho ireo zokiolona
Anisan’ny hetsika nanamarika ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kaominina Ambohimangakely ny fanolorana solom-bodiakoho ho an’ireo zokiolona avy ao amin’ny fiangonana Anglikanina ao an-toerana. Nitarika izany tao an-toerana ny ben’ny tanàna miadidy ny tanàna, raha ny voalaza.
“Mitohy hatrany ny hetsika fizarana ny solom-bodiakoho ho an’ireo ray amandreny zokiolona ato amin’ny kaominina. Samy nahazo ny anjarany avokoa izy ireo na avy aiza na inona ny rafitra misy azy” hoy ireo avy amin’ny kaominina.
“Ny fisaorana no ataolotra hatrany ireo tomponandraikitra mahatsiaro sy mahafoy ho an’ireo ray amandreny ato amin’ny kaominina, zava-dehibe tokoa ny tahaka izao ary mendrika fanohanana satria manome lanja ny fifanajana, ny soatoavina malagasy” hoy i Rafidy, mpahay fiaraha-monina.
Mariky ny fanajana ny ray amandreny moa ny fanolorana solom-bodiakoho sy ny fiarahabana azy ireo amin’ny taom-baovao, ary ao anatin’ny soatoavina malagasy dia zava-dehibe ny fanatanterahana izany. mbola fotoana azo hanatanterahana ny fiarahabana nahatratra ny taona ihany koa izao.
Manitra R.
