ActualitésTatitra

France : Mpampianatra iray no nanao herisetra ara-nofo tamin’ny zazavavy 11 isa

« Nampidirin’ny mpampianatro tao anatin’ny patalohako ny tanany », io no fehezanteny novakian’ny renim-pianakaviana iray sendra namaky ny diarin’ny zanany. Niantso ny talen’ny sekoly avy hatrany ny tenany manoloana izany ary izy ireo indray no nampandre ny tompon’andraikitra teny amin’ny ampanoavana.

Nisokatra avy hatrany ny fanadihadiana noho izany ka fantatra fa zazavavy efa 10 isa, 7 hatramin’ny 10 taona, mpianany tao amin’ny sekoly ambaratonga voalohany no niharan’ny herisetra ara-nofo nataon’io mpampianatra io. Zazavavy iray hafa kosa no efa naolany mihitsy. Nandritra ny fisavana tao an-tranon’io lehilahy io ihany koa dia nahitana horonantsary mamohafady misy ankizy (pédopornographique) manodidina ny 50 tao amin’ny solosainy, finday…

Efa hatramin’ny taona 2019 io fametavetana nataon’io lehilahy io 55 taona io ireo ankizy vavy ireo. Tao amin’ny kaominina Oderen, avaratra andrefan’i Mulhouse (Haut-Rhin) no nisehoan’ny tranga. Efa voasambotra kosa io lehilahy mpampianatra io.

Laisser un commentaire