Etats-Unis : Notolorana mari-boninahitra « Chevalier des Arts et des lettres » i Marc Smith
Notolorana’ny « consul de France » tamin’ny anaran’ny Ministeran’ny Kolontsaina Frantsay mari-boninahitra « Chevalier des Arts et des lettres » i Marc Kelly Smith izay rain’ny Slam. Notontosaina nandritra ny lanonam-pankasitrahana azy tao Chicago manoloana ny sangan’asany sy ny zava-bitany teo amin’ny sehatry ny ara-java-kanto sy ny literatiora ary ny fanapariahana ny slam-poezia izany fanoloarana mari-boninahitra izany.
Raha tsiahivina dia poeta amerikanina teraka ny taona 1949 tao Chicago i Marc Smith. Mpandraharaha tamin’ny fanaovana maritrano ny tenany fahiny. Namorona ny Slam izy nampiditra izany tao France tamin’ny alalan’i Grand Corps Malade, tamin’ny taona 2018.
