Etats-Unis : Vehivavy iray namono ny zanany 5 taona tao Texas
Raha ny tatitrin’ny Shérif ny comté de Harris ao Texas dia renim-pianakaviana iray antsoina hoe Melissa Towne no namono nahafaty ny zanany vavikely 5 taona. Ny faran’ny herinandro teo no nisehoan’ny tranga tao amin’ny Spring Creek Park, Tomball.
Nokendain’i Melissa Towne, 37 taona ny zanany ary notsindroniny ny antsy talohan’ny nitondrany azy tany amin’ny hopitaly. Vao tonga tao amin’ny hopitaly izy dia niaiky heloka. Nosamborina avy hatrany moa io renim-pianakaviana io, notanana am-ponja vonjimaika izy ary mitentina 15 tapitrisa dollars ny fanafahana vonjimaika azy.
