ActualitésTsidika

Kolontsaina : Hiverina indray ny takarivan’Iarivo

Hetsika iray natao hanomezana alalana ny mponin’Antananarivo miala voly ampilaminana ity takarivan’Iarivo ity. Efa ny taona 2020 izy io no niantomboka saingy nanajnona noho ny fisian’ny covid-19 ka izao izy haverina izao indray.

Maro ny hetsika hiseho mandritra izany fotoana izany. Fotoana iray hanomezana sehatra ireo mpanakanto isan-karazany izany. Natao ihany koa hanomezana lanja ireo mpandraharaha madinika amin’ny fivarotana sakafo mandritra ny hetsika izay tsy maintsy ampanarahana ny fenitra ara-pahasalamana na ny « code municipal d’hygiène ». Ny tena tanjona amin’izy ity moa dia ny mba hampialana voly ny tsirairay reraky ny asa anaty filaminana.

« Amin’ity taona ity dia hotanterahina ny zoma 4 sy ny sabotsy 5 novambra 2022 izao ny takarivan’Iarivo manomboka amin’ny 6 ora hariva hatramin’ny 12 ora alina. Ny Alahady 6 novambra 2022 kosa dia hisy ny tsangatsangan’Iarivo, manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva, izay hatokana ho an’ny mpandeha tongotra ary hanasana ny rehetra hitsangatsagana eny Analakely », hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina.

« Tsy misy hatahorana ny fandriam-pahalemana mandritra ity hetsika ity satria ny tanjona dia ny fialana voly anaty filaminana. Polisy monisipaly maro miara-miasa main’ny Polisim-pirenena no ahetsika isaky ny hetsika rehetra mba hitandro ny filaminana », hoy ny avy ao amin’ny Polisy Monisipaly Antananarivo.

Rehefa reraky ny asa sy ny fitadiavana nyntsirairay dia ilaina foana ny miala voly kely mba hampatanjaka amin’ny herinandro vaovao. Tsy voatery ny lehibe irery ihany moa no antsoina amin’ity hetsika “takarivan’Iarivo” ity fa na ny ankizy ihany koa aza dia mahazo alalana hiala voly avokoa. Fotoana iray hahafahan’ny mpianakavy miaraka ihany koa izy io.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire