ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nanomboka ny fanentanana mahakasika ny fahadiovana sy ny fanadiovana ny ao amin’ny kaominina

Tao amin’ny fokontany Ankadikely no nanombohan’ireo ekipa avy ao amin’ny fiadidina ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ireo solotena avy amin’ny C.C.Wash ny fitsidihana ifotony, izay nanaovana ny fanentanana ny mponina ao an-toerana mahakasika ny fahadiovana sy ny fanadiovana. Nentanina ireo mponina mba hanadio sy hanaja ny fahadiovan’ny tanàna ary ireo toerana ampiasaina hivarotana sy hitadiavam-bola, ny hifehezana ny rano maloto avy nampiasaina isan-tokantrano mba tsy hiparitahan’izany.

« Nomena ireo toromarika mahakasika ny fahadiovana sy ny fanadiovana ireo mponina hahafahana mitandro ny fahadiovan’ny tanàna. Fanentanana sy toro-hevitra ho fitarihana no nataon’ny ekipa fa ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay no zava-dehibe, koa manainga ny rehetra hiara-hientana amin’izany » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Mila fehezina ny rano maloto avy nampiasaina isan-tokantrano mba tsy hiparitahan’izany; nomena toromarika araka izany ireo mponina mba hampiasa toeram-pivoahana ara-dalàna sy fampiasana lavaka ho fanangonana rano maloto isan-tokantrano. Ho entitra ny fanaraha-maso mba hisian’ny fiaraha-monina mifanaja ao anaty tanàna madio manomboka izao » hoy hatrany ny avy amin’ny kaominina.

Miteraka fanafitohinana sy fahasorenana  ny fahitana ny fako sy ny rano miparitraka ary ny fofona haterany, indrindra fa ny eny anelakelan-trano. Ilaina ny fiaraha-mientana sy ny fandraisana andraikitry ny tsirairay ao anatin’izay. Ao anaty tanàna madio no misy fampandrosoana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire