ActualitésTatitra

France : Inona no tena nahazo an’i Lola ?

Zazavavy kely 12 taona i Lola. Ny zoma 14 oktobra teo, tao amin’ny boriborintany faha-19 tao Paris no nanomboka ny raharaha nampihoron-koditra nahazo azy. Nody avy nianatra no tsy hita i zazavavy io ary rehefa nijery ny « caméra de surveillance » ny rainy izay mpiambina ny trano (immeuble) ipetrahan’izy ireo dia nahita zavatra hafahafa.

Tamin’ny fotoana nidiran’i Lola tao amin’ny efitra fidirana voalohany (le hall) dia nisy vehivavy roa nanakana izy. Ora vitsivitsy taorian’izany dia hita tao anaty boaty plastika teo amin’ny faran’ny tokotanin-trano ny fatiny. Nahita ratra maro ny vatany sy ny tendany saingy tsy nahitana marika herisetra ara-nofo izy. Nisy marika « 0 » sy « 1 » menamena kosa tao amin’ny faladian’i Lola roa.

Efa fantatra kosa ilay vehivavy iray hita tamin’ny « caméra de surveillance ». Dahbia B. no anarany raha ny fantatra, 24 taona izy, olona avy any Algerie ary tsy nahazo alalana hitoetra ao amin’ny faritanin’i France (clandestin). Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana manoloana io raharahan’i Lola io.

Laisser un commentaire