ActualitésTsidika

Tsipy kanetibe « Coupe de Madagascar 2022 » : Hanomboka ny 13 Aogositra izao ny fifaninana

Hotanterahina ny 13, 14 ary 15 aogositra izao  eny amin’ny « boulodrome » Ampitantafika ny fiadiana ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranjam-panatanjahatena tsipy kanetibe raha ny fanambarana nataon’ny federasioninan’ny tsipy katenibe.

Hizara sokajy maromaro ny fifaninana, misy ny « Senior » lahy sy vavy, “Junior” ary « Vétéran”. Ho an’ny sokajy lehilahy, ny mpandresy dia hotolorana amboara, medaly, ny 15% ny fahazoan-dalana vonjimaika ary 4 tapitrisa ariary. Ho an’ny sokajy vehivavy kosa dia hotolorana amboara, medaly, 15% ny fahazoan-dalana vonjimaika ary 4 ny laharana voalohany.

Laisser un commentaire