Argentine : Mitohy ny fanadihadiana momba ilay mpanao gazety hita nihantona tao an-tranony
Vehivavy mpanao gazety iray tao Argentine antsoina hoe Griselda Blanco, 45 taona no hita nihantona tao an-tranony tao Corrientes. Ny iray tamin’ireo mpiray tam-po taminy no nahita ny razany ary niantso ny manam-pahefana.
Nisokatra avy hatrany ny fanadihadiana ary raha ny petra-kevitr’ireo manam-pahefana dia tsy famonoana tena fa vono olona io nahazo an’i Griselda Blanco io. Nanazava izy ireo fa nahitana soritra herisetra ny vatan’i mpanao gazety io ary nahitana volon’olona ihany koa ny tanana ka heverina fa niaro-tena izy.
Tsy nahitana fandrobana ny tranon’i Griselda Blanco ka mitodika amin’ny olo-tiany taloha Armando Jara ny ahiahin’ny manam-pahefana. Efa voasambotra moa ity farany saingy ny zanaky ny niaram-boina dia nilaza fa tsy meloka io raikelon’izy ireo io. Raha ny fanazavan’izy ireo dia nanameloka ny herisetra ny polisy ary nanakiana hopitaly iray tao anaty lahatsoratra nosoratany i Griselda Blanco talohan’ny nahafatesany ka miahiahy izy ireo sao ireo voakasik’izany no nahavanona ny loza.
