La Réunion : Niakatra 0,2% ny tahan’ny fanjifana
Raha ny tatitrin’ny Insee ny 28 novambra teo dia niakatra 0,2% ny tahan’ny fanjifana tao La Réunion ny volana oktobra teo. Nahafeno ny taha 3,7% ho an’ity taona ity izany. Raha tsiahivina nefa dia nihena 1,1% io taha io ny volana septambra.
Mikatra ny vidin’ny vokatra « manufacturés » sy ny angovo. Niakatra ihany koa vidin’ny sakafo nandritra ny telo volana nisesy saingy nihidina ny sandan’ny tolotra. Ho an’ny volana oktobra fotsiny dia nahatratra 1,2% ny fiakaran’ny vokatra « manufacturés » ary taorian’ny « solde » ny volana septambra dia niakatra 2,5% ny vidin’ny fitadiana.
