La Réunion : Nisokatra ny trano fisakafoana sy fanaovana fanatanjahan-tena
Nisokatra omaly 16 jona ny efi-trano fisakafoana sy ny efi-trano fanaoavana fanatanjahan-tena. Azo atao ihany koa ny lalao ara-panatanjahan-tena iraisana sy ny lalao haiady. Ireo efi-trano natokana ho an’ny daholobe rehetra no efa saika nisokatra avokoa omaly 16 jona. Ny « Préfet » an’i La Réunion no nilaza izany ny faran’ny herinandro teo. Mitaky kosa ny fahamalinan’ny olona tsirairay anefa izany. Mitohy hatrany ireo fihetsika ara-pahasalamana indrindra ireo fihetsika tokony hatao manoloana ny fiparitahan’ny aretina. Nilaza i Jacques Billant, Préfet, omaly fa afaka misokatra ny ankamaroan’ireo ivo-toerana ho an’ny daholobe toy ny trano fisakafoana, ny hefitra fanaovan-dalonana sy ny mitovy izany, ny efitra ara-panatanjahan-tena rehetra fa kosa ferana ho 300 ihany ny olona afaka mifamezivezy ao amin’izany. Raha mihatsara hatarny ny toe-draharaha dia hiditra amin’ny dingana manaraka izy ireo toy ny fiala amin’ny « couvre-feu » s ny fepetra ara-pahasalamana rehetra.
