Iran : Niala an-daharana ny kandidà ho filoham-pirenena iray
Roa andro hanatanterahana ny fifidianana ho filoham-pirenena ao Iran, Niala tsy ho kandidà ny alarobia 16 jona lasa teo i Mohsen Mehralizadeh. Miisa enina sisa izany ny olona hofidiana mandritra ny fifidianana. Tsy nanome fanazavana mahakasika izao fialany izao i Mohsen Mehralizadeh. Hotontosaina rahampitso 18 jona ny fifidianana, izay natao indrindra mba hisian’ny fifanarahana eo amin’ny Repoblikan’ny Silamo sy ny Vondrona iraisam-pirenena amin’ny famonjena ny fifanarahana mikasika ny nokleary any Iran. Mianjady ny firenena loatra mantsy ankehitriny ny krizy ara-toe-karena sy ara-tsosialy.
