Fahasalamana: Hikatona ny toeram-pitiliana covid-19 Andohatapenaka
Noho ny fahatsapana fidianana lehibe tamin’ny tahan’ireo olona mitondra ny tsimok’aretina covid-19 dia hikatona tanteraka ny toeram-pizahana ity aretina ity eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka manomboka ny 12 jona izao. Voamarina izany tamin’ny isan’ireo narary ny herinandro farany teo izay tsy nisy afatsy iray izay hita tao Diana. Araka izany dia efa misy ny fandaminana vaovao
“Eny anivon’ireo toeram-piofanana ara-pahasalamana hiasan’ny fanjakana manomboka izao ny toerana hanatanterahana ny fitliana sy ny fanadihadiana rehetra”, hoy ny Fitaleavan’ny Fampiroboroboana ny Fahasalamana.
“Mbola mahafaty foana ny aretina covid-19 na dia efa miha-vitsy aza ny voan’izany. Tsy hita maso izy io ka tsy afaka hatao ahoana fa ny fiarovan-tena no atao tsara. Aza hadinoina ny mametaka hatrany ny aro-vava orona rehefa hitanao fa marefo ianao na tsy metimety aminao ny toe-tany. Tsy natokana ho an’ny aretina covid-19 irery ihany koa ny fanasana tanana matetika fa mbola mitoetara amin’ny zava-misy rehetyra izany”, hoy ny Mpitsabo iray.
Ity CTC-19 eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka ity dia napetraka ny taona 2020 nandritra ireny fahamaizana tamin’ity aretina ity ireny. Ny eny an-toerana no mikatona fa ny fandehanana any amin’ny Hopitaly mbola mandray hatrany.
Miora Raharisolo
