Canada : An-tapitrisany hektara ny ala efa may
Misedra fiakaran’ny hafanana goavana i Canada am-bolana maromaro izao ary miteraka fahamaizan’ny ala ao an-toerana izany. Raha ny tatitra dia efa mahatratra 2 214 isa ny tranga fahamaizana tao an-toerana izay nisahana velaran-tany 3,8 tapitrisa hektara.
Olona 120 000 isa kosa no voatery nafindra monina manoloana izany raha olona 26 200 isa no mbola an-dalam-pifindrana amin’izao fotoana. Raha ny fanazavana kosa dia tonga hatrany New-York izay an’arivony kilometatra maro miala ireo faritany isehoan’ny tranga fahamaizana ao Canada ny setroka ary manimba tanteraka ny rivotra ao an-toerana izany.
Nilaza ny praiminisitra Justin Trudeau fa afo 214 no mbola mirehitra ao an-toerana amin’izao fotoana ary tsy voafehy ny 93 amin’ireo. Ho an’i faritanin’i Alberta manokana dia nanomboka ny volana may no nanomboka ny firehetana saingy mbola tsy voafehy ny afo ary mpamono afo 2 500 sy miaramila 400 isa no ahetsika amin’izany.
