Ankadikely Ilafy: Zazalahy kely 150 isa no vita hasoavana
Notontosaina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny hetsika didim-poitra faobe maimaim-poana, izay nokarakarain’ny tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Zazalahy kely miisa 150 no vita hasoavana nandritra izany, araka ny voalaza.
« »Izao hetsika izao no tontosa dia noho ny fiaraha-miasa tamin’ny Clinique Fidy, izay efa fanao isan-taona. Ho fanampiana sy ho fanamaivanana ny fahasahiran’ireo ray aman-dreny hatrany no tanjona amin’ny fanatontosana ny hetsika tahaka izao » hoy ny avy amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.
« Zava-dehibe ary tena ilain’ny mponina ny hetsika tahaka izao. Hisaorana ireo tomponandraikitry ny kaominina sy ireo mpitsabo fa tena mahavonjy ary mahafa-pahasahiranana ny mponina ny hetsika » hoy i Hery, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Tao amin’ny kianja Fifankatiavana moa no nanatontosa ity hetsika ity. Ankoatra izay dia notoloran’ny kaominina kilalao avokoa ireo zaza vita hasoavana
Manitra R.
