La Réunion : Nihena ny tahan’ny fanomezan-drà
Nahitana fihenana ny isan’ny mpanome rà tany La Réunion hatramin’izay niatombohan’ny krizy ara-pahasalamana tany an-toerana izay. Mandefa antso avo sy fanentanana mikasika ny mba hanomezan-drà ankehitriny ny nosy satria efa somary ambany ny tahirin-drà amin’izao. Miantso ireo mponina any na-toerana araka izany i La Réunion mba hanome rà ; mety ihany koa aza na ireo vahiny mpitsidika ny nosy aza.Marary maherin’ny 10 000 mantsy amin’izao no tena mila rà. « Ora iray hanomenjana aina 3 » hoy ny fanentanan’ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana any an-toerana. Mila 120 eo isan’andro raha amin’ny ankapobeny ny fanomezan-drà ilain’ireo marary.
