SocialTatitra

Sénégal : Mandeha tsara ny tsenan’ny rano

Mpandraharaha sénégalais roa no nanazava misimisy ny fivoaran’io sehatra io ao amin’ny fireneny nandritra ny resaka nataony tamin’ny mpanao gazety Alexandrine Holognon. Eugène Ndiaye, tale jeneraly teo aloha sy mpiara-manorina ny rano mineraly, Casamançaise, iray amin’ireo rano anaty tavoahangy be mpanjifa indrindra ao Sénégal sy Leyti Guisset, mpitantana sy mpiara-manorina ny « La maison de l’eau », orinasa mpizara loharano (fontaines à eau) ao Sénégal. »Hamaly sy hanala ny hetaheta ny tanjona » hoy ny roa tonta. Ny fahitana ny fananan’i Sénégal rano tsara kalitao no nanosika hiditra amin’ity sehatra ity hoy izy hatrany ary ny mbola nahavitsy mpanao izany tao an-toerana no nampivelatra vetivety ny sehatra. Antony mampiroborobo fatratra ny orinasa mpamokatra rano ao amin’ny kaontinanta afrikanina na amin’ny harona plastika, na amin’ny tavoahangy, na amin’ny loharano (fontaine) hoy ireo mpahay toe-karena ao an-toerana nanamafy.

Laisser un commentaire