Hong Kong : Fa maninona no mandrahona ny handao an’i Hong Kong ireo « géants du Net »
Tsy nahazo mampiasa Facebook, Twitter, Google, LinkedIn na koa tolotra Apple ve i Hong Kong ? Ireo GAFA henjana rehetra mihitsy no mandrahona hiala ao amin’ity faritany mizaka tena amin’ny ampahany ity noho ny fanavaozana ny lalàna momba ny fiarovana ireo tahirin-kevitra manokana (données privées) araka ny Wall Street Journal ny 5 jolay teo.Manahy ny fampiharan’i Hong Kong fepetra vaovao hiadiana amin’ny « doxing » ireo mpisehatra goavana avy any Etats-Unis amin’ny Internet ireo, dia ny fampiharana ny fanamparitahana ny tahirin-kevitra manokana ny olona ao amin’ny tamba-jotran-tserasera.Nivondrona ao anatin’ny « Coalition asiatique des plateformes internet » (AIC) nametraka ny fintarainany tamin’ny taratasy nalefa tamin’ny faran’ny volana Jona teo izy ireo izay niparitaka ny alatsinainy.
