ActualitésCultureTsidika

Sabotsy Namehana : Tanàna milamina eto Avaradrano

Kaominina iray miorina ao amin’ny distrikan’Antananarivo-Avaradrano i Sabotsy Namehana, ary tanàna iray anisany manana ny lazany. Atao hoe kaominina ambanivohitra izy fa miaina toy ny mponina any andrenivohitra ihany ireo olona ao aminy satria izy koa tsy lavitra an’Antananarivo renivohitra rahateo.

Maro ny foto-drafitr’asa efa natsangana tao an-toerana ary anisan’izany izay vao tsy ela no nametrahana ny famatsian-drano lehibe ao an-toerana, noho ny fijalian’ny vahoaka amin’ny fahasarotàna mahazo rano sy ny faharitràn’ny ranon’Imamba no nanomezana ny kaominina io fitaovana io ary maimaim-poana ny fakàna rano eo amin’izany, ny orin’asa Jirama ihany no miantoka ny rano vatsiana amin’izany.

Raha ny fitantaran’i Razaka zokiolona ao an-toerana dia « iray amin’ireo havoana masina miisa 12 eto Analamanga i Sabotsy namehana, ary ao ihany koa no mitoetra ny vakoka sisa tavelan-dRabodo, izay tsy iza fa iray amin’ireo vadin’ny mpanjaka voalohan’ny Madagasikara Andrianampoinimerina. Anisan’ny lalana tsy maintsy andalovan’ny mpanjaka avy ao Ambohimanga sy Ambohitrabiby koa izy raha hihazo an’Ilafy na Manjakamiadana ireo, tanàna manana ny hajany arak’izany io tanàna io ary manana ny maha izy azy ».

Nanome fanampim-panazavàna koa i Nosy, tompon’andraikitry ny kaominina teo aloha ary nilaza ny Antony nahatonga ny anaran-tanàna hoe Sabotsy Namehana fa « nisy ny tsenan’ny Sabotsy izay misy isan-kerinandro ary maro ny olona amin’ny tanàna manodidina no miantsena ao ary ny hoe Namehana kosa dia efa anaran-tanàna nisy tao an-toerana, misy koa ny fomba fiteny na ohabolana Malagasy hoe “Malaza avy any namehana ka tsy nitondra voasary ho an-jaza” tsy nijanona tamin’ny resaka fahavokaran’ny voasary ihany anefa no nampalaza ny tanàna fa ny fisian’ny tsena isakin’ny sabotsy koa, ka teo no nahatonga ilay hoe Sabotsy Namehana ».

« Nanomboka tato amin’ny atsasaky ny taona 2021 tato dia somary nanana olana ny kaominina satria nisy olana ny resaka rano, ritra ny ranon’Imamba ary niteraka tsy fahampian-drano ho sotroina izany, somary nisy ihany ny tsy fanjàn’ny mponina ny rano ka teo no niteraka ny olana, tsy niandry ela anefa ny Jirama fa vay dia nanome vahaolana fohy ezaka raha naharay ny fitarainana avy tamin’ny tompon’andraikitry ny kaominina ka nanolotra famatsian-drano omena mamaim-poana fa tsy andoavam-bola ary afaka misitraka daholo ny mponina ao an-toerana mandram-pivahan’ny olana » hoy i Tahiana tompon’andraikitra ao ami’ny Kaominina.

Manana mponina miisa 63 660 eo ho izy ary manana ny velaran-tany 22 km² ka misy fokontany miisa 22 ao aminy. Raha miainga eto Antananarivo dia mitetina 500ar ny saran-dalana makaty. Amin’iny lalam-pirenena faha-3 iny no zorana raha ho aty Sabotsy Namehana, ary raha ny filazan’ny Bertrand mpahay tantara sy jeografia dia « avaratry ny kaominina Ambohimanga i Sabotsy Namehana raha atsimon’Ankadikely, atsinanan’i Manandriana ary Andrefan’Antehiroka, ao ampovon’ireo rehetra ireo no misy azy, ary lazaina ho ampovoan-tanàna izy izany. Misy olona mamboly sy miompy toy ny any amin’ny tanàn’Ambanivohitra rehetra ao, ahitàna biraon’ny kaominina sy sampan-draharaha maro ao ary misy tobim-pahasalamana sy fivarotam-panafody koa, tsy latsan-danja amin’izay ny sekoly toy ny EPP sy ny CEG ary ny Lycée, misy sehatra tsy miankina maro koa ao ary misy amin’izy ireny manome asa hoa an’ny tanora maro, maro koa anefa ireo mponina ao an-toerana no miasa sy mianatra aty Antananarivo ».

Tanàna kely tsy dia aharenesana tranga raha i Sabotsy Namehana ary tsy dia ahitàna disadisa ara-politika koa. Mandray andraikitra sy manao ny asany tsara koa ny olom-boafidy ao an-toerana ary ny mponina ao koa tia filaminana, ny tany tsy ilaozan’olon-dratsy fa araka ny fantatra dia manao ny ezaka amin’ny famongorona izany indrindra ny fitondram-panjakàna ao an-toerana.

Mahaliana ary tsy lavitra i Sabotsy Namehana, mandray ireo mpivahiny sy mpitsidika tsara koa na ny tompon’andraikitra na ny mponina ao an-toerana ka azo atao tsara arak’izany ny mandala sy mijery ny hakanton’ny tanàna.

Laisser un commentaire