France : Nampahafantatra ny olon-tiany vaovao i Stéphane Bern
Nahita ny olon-tiany ihany i Stéphane Bern taorian’ny roa taona nisarahany tamin’i Lionel. Ity mpanentana “franco-luxembourgeois » ity izay 57 taona dia miaraka amin’i Yori Bailleres. Isan’ny lehilahy tompon’ny fahatsarana taloha tany Eoropa izy satria nilatsaka Mister Gay Europe saingy tsy nandresy akory.Ity lehilahy olon-tiany izay 37 taona ity ihany koa no nanorina ny “Cerle de Socrate” izay tranokalam-pifandraisana. Mampiseho ny fiarahan’ny lahy samy lahy izy ireto araka izany ka nizara ny sarin’izy roa tao anaty tambajotra. Sahia mirehareha ho an’izay tsy afaka hoy ity olon-tiany vaovao ity tao anaty Instagram. Mirehereha amin’ny maha LGBT azy ireo izy araka izany izay namoaka sary ny sabotsy 26 jona teo mifamihana tany Paris.
