SocialTatitra

Gabon : Zanaka gorille iray teraka

Zanaka Gorille teraka tao anaty valan-javaboahary iray tany Gabon. Avy any amin’ny valan-javaboahary Frantsay sy Anglisy ny ray sy reniny hoy ny mpitantana ny valan-javaboahary tao Beauval.Vaovao mahagaga maneran-tany tokoa izao satria tsy fahita firy intsony ity karazana Gorille ity hoy ny tale mpikambana ao amin’ny Zooparc any Beauval any Saint-Aignan, Delphine Delord. Ny 13 na 14 Jona no teraka ity Gorille ity fa ny talata 29 jona teo vao nampafatarin’ny avy ao amin’ny Parc izany vaovao izany. Mahazo aina tsara i Mayombé iza 13 taona renin’ity vao teraka ity ankehitriny na dia mafy aza ny fiterahana nataony hoy hatrany ilay tale. Nantona azy moramora i Djongo izay 15 taona rainy ary nikasika ilay zanany ka navelan’ilay reniny nanao izany fihetsika izany ilay rainy raha ny fitantaran’ny nanatri-maso.Hitarika ho avy tsara ho an’ity karazana ity izao fahaterahana izao hoy indray ny filohan’ny Zooparc, Rodolphe Delord. Misy Gorilles 150 000 hatramin’ny 250 000 no hita any amin’ny tandrefana ary ao amin’ity Zoos ity no misy ny 800 hoy ny Beauval Nature.

Laisser un commentaire