Coupe Omby : Mandray anjara avokoa ireo ekipa 16 ao Ankadinandriana
Hotontosaina nmanomboka ny 5 jona ny lalao ampahavalon-dalana ho an’ny fiadiana ny omby ao Ankadinandriana. Mandray anjara amin’izany avokoa ireo ekipa 16 nandray anjara tamin’ity lalao ity.
« Tsy fifanitsanana noho izany no natao hatramin’izao fa fiadiana isa ao anaty vondrona. Mitsinjara ao anaty vondrona 4 ireo ekipa ireo » hoy ny mpikarakara. « Hanomboka ny 5 jona izao ny lalao izay hosokafan’ny ekipa Aigle Amboanjobe sy ny Miorinkapoza. Efa navoaka ny fandaharam-potoana ho amin’io lalao ampahavalon-dalana io izay hifarana ny 19 jona » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadinandriana.
Mandroso tokoa, ary mahazo vahana ny taranja baolina kitra eto Avaradrano. Manohana hatrany ity taranja ity ihany koa ny avy ao amin’ny kaominina, izay tarihin’ny ben’ny tanàna.
Nicole Rafalimananjara
