Milaza mahavita mamoaka olona ao am-ponja kanjo izy indray no naiditra am-ponja
Manao izay fomba rehetra ahazoana vola ny olona ankehitriny na manaraka ny rariny io na amin’ny fomba ratsy. Ny mpanendaka manohy ny asany, ny dahalo ihany koa tahaka izany ary misy indray ny fomba hafa kely tahaka ilay tany Arivonimamo. Lehilahy iray 43 taona no milaza fa mahavita mamoaka olona ao am-ponjan’Arivonimamo ary manatona ireny fianakavian’ny voafonja ireny izy miresaka momba izany.
Fianakaviana iray no voarebirebiny tamin’izany ka nangalany vola 6 600 000 ar entiny mandroso ilay fotoam-pitsarana ary hahafahany manafaka ilay voafonja. Rehefa nandeha teny ny fotoana dia nilaza izy fa nihemotra hatrany ny fotoam-pitsarana no sady tsy ampy kely indray ilay vola ka mila manampy vola kely hoy ny fanazavan’ny fianakaviana. Nanomboka teo izahay no tonga saina mba mpisoloky ity rangahy ity ka nampandre ny polisy hoy ny fianakaviana. Nasaina nantsoin’ny fianakaviana ilay lehilahy ka nomena fotoana teny amin’ny fitsarana tany Arivonimamo ary teo am-pandraisana vola no tra-tehaka hoy ny polisy tany an-toerana.
Nahiditra am-ponja vonjimaika ity rangahy mpisoloky ity taorian’ny fanadihadihana natao taminy. Tsara raha samy mailo isika rehetra amin’izao fotoana izao satria tsy kely lalana ny ratsy.
Nicole Rafalimananjara
