Ireo tendrombohitra masina 12
Ny mpanjaka Andrianampoinimerina (1787-1810) no tena nametraka tamin’ny toeran-kasina misy azy ireoTendrombohitra masina Roambinifolo. Raha ny fahafantarantsika azy dia nametrahany ireo vadiny 12 izy ireo, tsy izay fotsiny loatra fa tao koa ireo nilevenan’ny Roambinifolo Manjaka izay nandovany ny fanjakana ary ireo tendrombohitra nomenkasina maromaro hafa. Ny isa”roa ambin’ny folo” dia tsy mba filazana isan-javatra tsotra ery ka dia tsy mifanojo amin’izay ny tena isany satria teny fanajana fatratra enti-milaza ny zavatra momba ny mpanjaka izy io. Noho izany dia mihoatra ny 12 ny tena isan’ny tendrombohitra masina.
Ireo hilevenan’ny Roambinifolo Manjaka kosa dia: ao Ampandrana misy an’i Rafandrana, Imerimanjaka misy an’i Rafohy sy Rangita; ao Alasora misy an’i Andriamanelo, Ambohidrabiby misy an’i Ralambo, Analamanga (Antananarivo) misy an’i Andrianjaka, Andriantsitakatrandriana, Andriatsimitoviaminandriandehibe, Andriamasinavalona; Ambohimanga misy an’i Andriatsimitoviaminandriana, Andriambelomasina. Ireo tendrombohitra hafa: Ambohidratrimo, Ilafy, Namehana, Ambohiniazy (Itasy), Ambohitrondrana (Imamo), Kaloy, Amboatany, Imerimandroso, Ambohidrontsy na Ambohihontsy, Ambohijoky, Fenoarivo, Antsahadinta, Iharanandriana…
Ny Roambinifolo Manjaka dia ireo mpanjaka nifandimby tany alohany notanisain’ny mpanjaka Andrianampoinimerina an-kabary ho nandovany ny fanjakana.