ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nanatanteraka fitetezam-paritra teny amin’ireo fokontany ny zandarimaria

Ny faran’ny volana jona teo no nirotsaka an-tsehatra teny amin’ireo vahoaka teny ifotony ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena, avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Nandritra izany no nanaovana ny fitetezam-paritra sy nihainoana ny hetahetan’ny vahoaka, indrindra ny mahakasika ny fandriam-pahalemana, araka ny voalaza.

« Ny vahoaka no hisaorana sy hankasitrahana hatrany amin’ny fotoana tahaka izao satria zava-poana ny firotsahana an-tsehatra tahaka izao raha tsy teo izy ireo namaly ny antso. Naharitra roa andro ny fitetezam-paritra natao tety amin’ny fokontany ary maro ireo dinika tapaka sy ho hampiarina mba hisian’ny fandriam-pahalemana ety ifotony » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Ny zandarimaria moa dia vonona tanteraka hiara-hisalahy amin’ny mponina mba hahatontosan’ny tanjon’ny asa izay sahanin’ny zandarimaria dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Izany dia ilay tagnamaron’ny fandriampahalemana » hoy hatrany ny fanazavana.

Tao amin’ny fokontany Ambohipeno, Andraisoratra, Antanifotsy, Mahatsara, Ambohibato ary Morarano moa no nanatanterahana ity fanentanana amin’ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire