SocialTatitra

France : Caméras an’arivony napetraka hisorohana ny tsy fandriam-pahalemana, ao Nice

I Nice no faritra malaza indrindra amin’ny fampiasana ireny fitaovana fanaraha-maso nomerika ireny ao France, amin’izao fotoana izao. Cameras 4000 isa no napetraka ao amin’ity faritany ity, ka ny 1050 amin’izany dia napetraka anatin’ireny zotra-pitaterana “tramway” ireny. Ho fiarovana ny mpandeha amin’ny tsy fandriam-pahalemana no antony nametrahana izany, raha ny fanazavana. Ankoatra ireo, nametrahana ireny camera madinika ireo ihany koa amin’ny fanamian’ireo polisy kaominay, ho fanaraha-maso ireo mpandeha eny an-dalana. Mahomby ny fampiasana ity fitaovana ity. Raha misy ny tranga miseho na hafahafa dia mandefa fanairana avy hatrany ireo camera, izay mifandray amin’ny alalan’ny “réseaux wifi”

Laisser un commentaire