ActualitésTatitra

Mali : Bambara, fitenin-dreny ao Mali

Iray amin’ny fitenim-pirenena ao Mali ny fiteny « bambara ». Fitenin-dreniny ao an-toerana izy io ary anisan’ny fiteny ampiasain’ny 82% ny mponina.

Ao amin’ny fianakavian’ny fiteny « mandées » (nigéro-congolais) io fiteny io ary voasokajy ao amin’ny vondrona fototra. Ankoatra ny « bambara » dia hita ao amin’io vondrona io ihany koa ny mManinka » (Kita sy Ouest) ampiasaina ao Mali, ny « dioula » ao Côte d’Ivoire sy Burkina Faso, ny « mandinka » ao Sénégal sy Gambie ary ny « maninka » ao Guinée atsinanana sy Mali.

Ireo fitenen’ny firenena ao Afrique tandrefana ireo dia mampiseho fitohizan’ny fiteny izany hoe na ireo karazana teny mifanalavitra aza dia mifandray ihany. Tsy misy fetra ara-jeografika mazava eo amin’ny fitenim-paritra tsirairay.

Laisser un commentaire