ActualitésTsidika

Atsimondrano : Trafika teny amin’ny RN7

Tsy misomonga sy tsy mitsitsy ireo avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena fa indrindra ny zandary misahana ny fifamoivoizana na ny BPR eto Imerina Central. Tanjona amin’izany ny hanafoana ireo karazana trafika maloto eny amin’ny lalam-pirenena.

Nahatrarana toaka gasy 900 l sy rongony 27 kilao ary vatosoa 3 taonina indray mantsy teny amin’ny lalam-pirenena faha-7 iny, izay hafenin’ireo mpanao ratsy ao ambany gonin-tsaribao moa izany rehetra izany. Herinandro 3 nanombohan’ny hetsika dia efa izany sahady no tratra ary teo amin’ny PK18, Ambatobevohoka no sarona izany rehetra izany.

Ambetin-teny mahazatra ny avy aoa amin’ny zandarimaria moa ny hoe « tsy handefitra ny zandary ary hisy ny fisavàna hatrany amin’ny farany kely indrindra ». Ary dia izay tokoa ny zava-nisy sy nahitàm-bokany amin’ity tranga iray ity. « Harena tokony ho an’ny vahoaka Malgasy rehetra, mitady ho bodoin’olon-tokana ka izay no ilaina ireto mpitandro filaminana ireto fa tsy hijorojoro eraky ny arabe fotsiny », hoy i Fanantenana, mponina ao Ambatobevohoka. Nanamabara ity mapandinika ara-toe-karena iray ity fa « raha ity resaka toaka ity no raisiko manokana dia hitako hoe tsy mety ihany ny fanagiazana azy ireo satria ny toaka vahiny aza afaka hampidirina eto Madagasikara tsy misy olana, anisan’ny fitadiavam-bola ho an’ny olona sasany io ka amiko tsy olna fa hampianarina hanara-dalana fotsiny izy ireo ».

Hetsika ilaina sy mety ho amin’ny filaminana anatiny eto Madagasikara ity natao ity. Iza anefa no homena tsiny raha manao izany ireo olona sasany kanefa ny taratasy ilaina rehetra amin’ny fanarahan-dalàna sy ny famarotana azy ireo aza mbola feno loto sy tsy manara-penitra ihany koa ? Zary lasa samy manao izay tiany sy hitany fa mahasoa azy ny tsirairay.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire