Iran : Nahazo alalana hanatrika ny lalao baolina kitra ny lehilahy ireo vehivavy
Nahazo alalana hanatrika ny lalao baolina kitra ny lehilahy ireo vehivavy ao Iran rehefa noraràna tamin’izany nandritra ny taona maro. Mahazo manatrika ny fiadiana ho tompondaka ny lehilahy izay handraisana ekipa 16 anjara manomboka ny volana aogositra izao izy ireo hoy ny filohan’ny federasiona ny baolina kitra ao an-toerana, Mehdi Taj.
Raha tsiahivina dia nandritra ny 40 taona ireo vehivavy tao Iran no noferana tsy hanatrika fifaninana baolina kitra ny lehilahy. Antony ny fanampahan-kevitry ny manam-pahefana ara-pivavahana izay manana anjara toerana lehibe manoloana ny fanampahan-kevitra raisina ao amin’io firenena io. Marihana nefa fa tamin’ny volana aogositra 2022 dia nisy ny tranga manokana izay namelana ireo vehivavy nanatrika lalao baolina kitra tao Téhéran.
Hatreto kosa dia ny kianja ao Ispahan, Kerman ary Ahvaz no fantatra fa vonona handray ireo vehivavy hijery lalao baolina kitra. Mbola tsy nanome ny fanampahan-keviny kosa ny avy ao Téhéran.
