ActualitésTatitra

Chine : Nampiakatra ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra ilay tafio-pasika niseho tao an-toerana

Tao anatin’ny andro maromaro izao dia rakotra zavona manopy volomboasary i Chine. Heverina fa ratsy ho an’ny fahasalamana izany. Raha ny tatitra ny alarobia teo dia niakatra ny tahan’ny fahalotoan’ny atmosfera tao an-toerana ary nihoatra ny isa ambony indrindra hatrizay izany manoloana ilay tafio-pasika (tempête de sable) niseho tao Pékin sy tamin’ny toeran-kafa tao amin’ny firenena.

Tafiakatra 500 µg/m3 ny tahan’ny fahalotoana izay taha « record » vaovao ary midika fahalotoana goavana na « pollution grave ». Any amin’ny faritra avaratra sy avaratra andrefan’i Chine kosa no tena voakasik’io fahalotoan’ny rivotra io, indrindra ao amin’ny faritra « semi-désertique » ao Mongolie.

Marihana fa matetika ny fisian’ny tafio-pasika ao avaratr’i Chine amin’ny fotoan’ny « printemps ». Mahazavaka ny vovoka ny rivotra ka miteraka izany raha ny fanazavana. Io fahalotoan’ny rivotra hita amin’izao fotoana io kosa ateraky ny PM10 izay mety hiteraka olana ara-pisefoana goavana raha ny fanamafisan’ireo tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire