Fizahan-tany : nampaneno lakolosy indray ny tao amin’ny mpandraharaha fizahantany eto Madagasikara (CTM)
Miaina anaty tsy fandriam-pahalemana tanteraka ireo mpizahantany tonga eto Madagasikara sy ireo mpisehatra amin’io sampan iray io. Maro ireo faritra tena mena amin’ny fanafihan-dahalo kanefa anisan’ny faritra mahasarika mpizahatany maro na avy eto antoerana na avy any ivelany. Nahitana tranga na fanafihan-jiolahy indray tamin’iny lalana mihazo an’ny Morondava iny ka voa tamin’izany ny mpitari-dia iray izay nitondrany takaitra tamin’ny vatany izany ankehitriny.
« Zava-misy iray mamingana ny sehatry ny fizahan-tany izay vao novelomina kely taorian’ny fisian’iny Covid-19 iny ity tsy fandriam-pahalemana misesy loatra ity ka izany no nahatonga anay mampananeo lakolosy androany satria toa misy manao ambanin-javatra izany ». Hoy ny avy ao amin’ny CTM. Maro mpizahantany tokoa i Madagasikara fa matahotra ny olona handeha amin’ny toerana tsy mahazatra azy satria be loatra ny tranga tsy fandriam-pahalemana. « Mijery vaovao izahay dia mahita ny mahakasika ny fiara voasakan’ny jiolahy amin’ireny lalam-pirenena ireny ka niova lalana izahay tamin’iny fialan-tsasatra teo iny na dia saika mba handeha any Toliara izay toerana mbola tsy hitanay mihitsy » hoy i Lucie, renim-pianakaviana.
Manahy ny mety ho vokatr’izany amin’ny asany ireo mpisehatra ka manentana sy mampatsiahy hatrany ireo tompon’andraikitra amin’izany mba hijery akaiky ny mahakasika ity tsy fandriam-pahalemana ity. Vahaolana mahomby afaka ampiharina amin’ny taona maro ihany koa anefa no tena ilaina mba tsy hampiverina indray ny olana toy izany foana.
Miora Raharisolo
